Hanomboka anio, eny amin’ny Ivontoerana ibeazana ara-kolontsaina Volahasiniaina, eny Ambanidia, ny “Antahkarana” andiany fahasivy. Hetsika iray hiofananana maimaimpoana ho an’ireo liana amin’ny zavamaneno ravaka sy ny valiha izy ity.
Hamarana ny “Top 33” ny sehon’i Mirado sy ny Reko Band. Fialamboly ho an’ny mpianakavy, hotontosaina eny amin’ny Oceanis park andakana ity hetsika ity, ny alahady 30 jolay ho avy izao. Hisy ny fifaninanana basket sy beach volley ary pétanque 3×3.
«Viva l’Océan Indien»: Havoaka amin’ny fomba ofisialy anio, ny rakikira, «Viva l’Océan Indien». Rakikira niarahan’ny mpahay kanto avy amin’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina namolavola. Ny hakanton’ny zava-mananaina no haseho anatin’izany rakikira izany.
Ho tonga tsy ho ela eto an-tanindrazana ny Groupe Ny Mino: Tarika manana ny lazany eo amin’ny hira evanjelika, any ivelany. Mialohan’ny hahatongavany atsy ho atsy, hanatanteraka seho ao amin’ny Epudf Trinité 172, Bd Vincent Auriol ao Paris, Ny Mino, ny 30 aogositra izao