Kitra : hanoman-tena atsy Afrika Atsimo i Maurice

Nambaran-dRasoanaivo Fidy, ilay Malagasy mpanazatra ny Club M ao Maurice, taranja baolina kitra, ny alakamisy lasa teo, nandritra ny fanazarantena notanterahiny tany an-toerana fa handeha hanoman-tena atsy Afrika Atsimo, izy ireo, ny fiandohan’ny volana aogositra ho avy izao. Efa nandefa ny taratasy fangatahan-dalana any amin’ny federasiona maorisianina ny tenany ary eo am-piandrasana ny valiny, amin’izao fotoana izao.
Nomarihin’i Fidy fa zava-dehibe izany fanomanantena any amin’ny firenen’i Nelson Mandela izany satria mitovy toe-tany amin’ny eto Madagasikara ka mila mizatra izany ireo mpilalaony mba tsy hanavao rehefa tonga eto Madagasikara. Mbola ao anatin’ny hatsiakan-dririnina mantsy amin’izany volana aogositra izany eto Madagasikara, raha ny nolazainy hatrany. Eo am-pandrafetana izay handrafitra ny Club M, hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ny tenany. Miisa 30 izy ireo saingy mbola miandry ny valintenin’ireo mpilalao mila ravinahitra atsy La Réunion izay vao havoaka ny lisitra ofisialy.

Tompondaka

Partager sur: