VAOVAO TAMBATRA

Miisa 2 000 ny dobo misy fefy mitsingevana manara-penitra hapetraka manerana ny Nosy ho fampitomboana ny famokarana zanatrondro tsara kalitao. Haharitra dimy taona ny tetikasa, izay iarahana amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny FAO. Vinavinaina hatomboka amin’ny taona 2024.

Miisa 118 ny mpanara-maso sy mpitsirika masomboly (contrôleur inspecteur semencier) eto Madagasikara. Omaly, nanao fianianana teny amin’ny Lapan’ny fitsarana izy 22 mianadahy nahafeno ny fepetra takina amin’izany. Teknisianin’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana izy ireo, izay nandray ny asany avy hatrany.

Niofana ny ekipa ao amin’ny fitantanana ny tantsoroka ho an’ny asa vonjitaitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny 12, 13, 14 jolay teo. Niompana tamin’ny fandrafetana tetezamby ao anatin’ny fotoana fohy ny fiofanana, niarahana tamin’ny orinasa Henri Fraise Fils & Cie, ary tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena.

Atao vaindohan-draharaha ny fampiroboroboana ny toekaren’ny faritra tsirairay. Omen-danja ny vokatra miavaka. Ny alarobia teo, nihaona tamin’ny rafi-panjakana voakasik’izany ny minisiteran’ny Va­rotra ny indostria, ary ny fanjifana. Nihaona tamin’ireo sehatra tsy miankina ny minisitera, omaly, tetsy Ambohidahy.

Partager sur: