Notrongisin’ny fiara 4×4 iray ny tambohon’olona iray eny Analamahitsy, afakomaly hariva. Teo amin’ ny sampanan-dalana mivily mankany amin’ny kariera no nitrangan’izany. Nandeha nirimorimo ity fiara ity ka tsy voafehin’ny mpamily intsony. Vokany, nahitana fahasimbana ny lohan’ny fiara. Tsy nisy ny aina nafoy.
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalana, afakomaly, teo anoloan’ny Gara Analakely ny jiolahy raindahiny amina halatra finday. Fitarainana voarain’ny polisy no nahafahan’izy ireo nanao ny fikarohana ity olon-dratsy ity. Nahitana finday halatra roa tany aminy nandritra ny fisavana.
Nidina ifotony nanentana ireo mpamily taxi-moto ny polisy misahana ny fifamoivoizana hiditra
amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Anton’izany mba hisorohana ny trangana tsy fandriampahalemana mety hiseho eny an-dalambe. Tsy maintsy manao badge sy akanjo famantarana, araka izany, ireo mpamily taxi-moto rehetra mba hahafantaran’ny mpandeha azy ireo.
Naiditra am-ponja ao Ankazobe, afakomaly Ra-Sefo Tiana, ilay jiolahy nisandoka ho zandary. Misoloky sy maka vola amin’olona izy. Maro ireo olona voafitaka satria mihevitra azy ho tena zandary tokoa rehefa nahita ny fanamiana anaovany. Voafitaka hatramin’ireo tovovavy mihitsy aza satria misandoka ho manamboninahitra Lietnà ao amin’ny zandarimaria izy.