Tennis, hahemotra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, noho ny fitarainan’ireo ligy dimy, Amoron’i Mania, Atsinanana, Vakinankaratra, Boeny, Matsiatra Ambony. Milaza izy ireo fa tsy afaka ny handray anjara amin’ity fifaninanam-pirenena ity ireo sokajy «Juniors», «vétérants», … ao amin’izy ireo.
Kitra, lavon’i Mayotte tamin’ny isa 4 no ho 0 ny ekipa voafantin’i Boeny. Fihaonana natao omaly, tany Mahajanga. Marihina fa ity lalao ity, tafiditra amin’ny fifaninanana Jubilé Ahmad. Raha tsy misy ny fiovana, ny alahady ho avy izao no hihaona amin’i Mayotte ny Barea de Madagascar, any an-toerana ihany.
“Mondial 2023” vehivavy, lavon’i Espagne tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0 i Zambie. Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’i Eden Park, omaly 26 jolay 2023. Lalao tafiditra amin’ny andro faharoa fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy “C”. Ankoatra izay resin’i Japon tamin’ny isa 2 no ho 0 i Costa Rica.