Lalaon’ny Nosy : mpihazakazaka avy any Etazonia hanatevina ny atletisma

Nanomboka ny 18 jolay lasa teo no efa ao anaty fampivondronana ny taranja atletisma. 73 mianadahy izy ireo no manaraka izany etsy amin’ ny kianja Barea Mahamasina. Misahana ny fanomanana ilay Sinoa manampahaizana, i Djao, miaraka amin’ireo Mala­gasy teknisianina miisa 13 mianadahy.

Nambaran’ny tale teknika nasionaly, Rambeloson Hery, fa iray ihany ny mpilalao mpila ravinahitra mandrafitra ny atletisma amin’ity lalaon’ny Nosy ity, dia Rafidimalala Narindra Johnson, mianatra any Eta­zonia. Hihazakazaka amin’ny 100 m sy ny vikin-dava izy. Raha tsiahivina, 10 s 2 % ny fe-potoanany eo amin’ny hafainganam-pandeha ary 7, 80 m ny vikina vitany.
Ankoatra izay, mikendry medaly volamena 15 ka hatramin’ny 25, amin’ireo 53 hiadiana ny federasiona malagasin’ ny atletisma, amin’ity. Tena ananan’i Madagasikara herijika, ny eo amin’ny hazakazaka, vehivavy ary heverina fa handrombahana volamena betsaka.

Vonona tsara avokoa ireo atleta miatrika ity fampivondronana ity. 30 lahy sy 30 vavy no hotazomina farany, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Noho izany, mbola hisy fitsapana farany, hifantenana azy ireo, herinandro mialoha ny lalao.

Tompondaka

Partager sur: