Newsmada : mpanohana ny lalaon’ny Nosy

Notanterahina teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly 26 jolay, ny fampahafantarana ireo orinasa mpanohana ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023 andiany faha-11. Lanonana notarihin’i Haja André Resampa, filohan’ny COJI sy minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora. Anisan’ireo mpanohana mitondra ny anjara tandrifiny eo amin’ny serasera ny orinasa Newsmada.

“Orinasa malagasy iray misehatra amin’ny serasera ny Newsmada. Faly izahay mitondra ny anjara birikinay amin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ity. Mirary fahombiazana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy izay handray anjara amin’ izany”, hoy Rajaobelison Dina, solontenan’ny Newsmada.

“Misaotra tanteraka ny mpanohana rehetra ny tenako. Miaraka miezaka manatsara ny lalaon’ny Nosy isika”, hoy ny filohan’ny COJI. Tsara ny mampahafantatra fa ivondronan’ny orinasan-gazety Taratra, Les Nouvelles, Bojy, radio Alliance 92 ny Newsmada. Ankoatra ity orinasa ity, miisa 30 ireo orinasa mpanohana ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hotontosaina eto amintsika, manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao.

Fitia

Partager sur: