Fanararaotana : tratra ilay nanolana zazavavy 13 taona

Nihidy aman-trano, voatery namoha an-keriny ny trano fonenan’ny lehilahy iray ny renim-pianakaviana tao Amboasary, fokontany Andratsiolona, kaominina Andilana avaratra, distrikan’ Amparafaravola, ny sabotsy teo, tamin’ny 3 ora folakandro. Niasa ivelan’ny tanàna ny ray aman-drenin’ny zazavavy, 13 taona, tsy salama saina sady moana. Noho io fahasembanany io, tsy manaraka ireo lehibe niasa ivelan’ny tanàna izy. Nanararaotra, nentin’ity rangahy 49 taona ity, an-tsokosoko nankany an-tranony io ankizivavy io. Nohidiny avy ao anatiny ny trano ka nanamparany ny filan-dratsiny ilay sembana. Tsikaritry ny olona mpiray vodirindrina anefa io fihetsika mamoafady nataon-dralehilahy io. Nampandre ny renin’ny zaza avy hatrany izy ireo. Mafy hidy ny trano nisy ilay vehivavy sy ny mpanolana ka nosokafan’ny reniny an-keriny. Vokany, tratra teo am-panaovana ny filan-dratsiny ary tsy afa-nanda ilay lehilahy. Efa samy tsy nitafy intsony izy roa. Niantso fokonolona hisambotra ny nahavanon-doza ny renin’ilay zaza. Nentin’ireto farany teny anivon’ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria ao Amboavory, io lehilahy io. Natao famotorana, niaiky tokoa ny zava-bitany izy. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ilay nanolana.

Tsiferana Randriatiana

 

Partager sur: