Lohahevitra momban’ny fitantanana ny harena an-dranomamy sy fahafaha-manao famokarana aminy ary ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’i Madagasikara. Ireo no novoaboasana nandritra ny andro fahafiton’ny seminera mahakasika ny jono atao any Sina, omaly. Maro ireo teboka nivoitra nandritra ny hetsika.
Atao mandritra ny roa andro, ny 28 sy 29 jolay izao, ny fampihaonana ireo mpisehatra ara-bola sy ara-toekarena ao amin’ny faritra Menabe. Tanjona ny hahazoan’ny kaoperativa tombontsoa amin’ny sehatrasa misy azy. Marihina fa anisan’ny vina apetraky ny fanjakana ny fampiroboroboana ny asa famokarana mba hahafahana mampihena ny entana afarana avy any ivelany.
Natao tany Toamasina, ny 25 jolay teo, ny atrikasa mikasika ny fanondranana harena an-kibon’ny tany. Niarahana tamin’ny sampandraharahan’ny ladoany any an-toerana ny fotoana. Anisan’ny noresahana ny torolalana sy ny dingana arahina amin’ny fanondranana mankany ivelany.