Fanokafana ny lalaon’ny Nosy: Malagasy avokoa no hanao ny soradihy sy ny seho

Nitondra fanazavana momba ny lanonana fanokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, ny eo anivon’ny Comite d’Organisation des Jeux des iles, (COJI). Malagasy avokoa no hanao ny soradihy sy ny seho rehetra.

Hanampy amin’ny torohevitra sy hanome traikefa fotsiny ny hahatongavan’ireo Sinoa manam-pahaizana eto fa Malagasy avokoa no ho tazana eny an-tsehatra, hoy ny eo anivon’ny COJI. Ny kolontsaina ma­lagasy ihany koa no haseho fa tsy ny an’ny Sinoa akory. Efa fantatra avokoa ireo handravaka io lanonana fanokafana io ka ny ankizy avy eny amin’ny Akamasoa no ma­nao ny mitabe sy ny soradihy. “Script” gasy no hampiasaina, hira malagasy no handihizana ary hiran’ny mpanakanto gasy no handravahana ny seho rehetra, na ny fanokafanana izany na ny fa­maranana, araka ny fanazavana avy amin’ny COJI hatrany. Hisongadina tanteraka, araka izany, ny fahaiza-ma­naon’ny Malagasy fa fa­nampiana sy fiaraha-miasa fotsiny no hataon’ireo Sinoa. Fiaraha-miasa toy ny efa nisy hatramin’izay teo amin’ny firenena roa tonta no antony nahatongavan’izy ireo eto Madagasikara. Marihina fa efa manomboka mianatra ny mitabe sy ny soradihy hatao amin’ity lalaon’ny Nosy ity, ireo ankizy eny amin’ny Anka­ma­soa, Andralanitra, amin’izao fotoana izao. Ma­lagasy ma­nam-pahaizana eo amin’ny dihy maromaro no manaraka akaiky azy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: