28 andro sisa, hanomboka ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hotanterahina eto amintsika, manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Tonga nitsidika ny Akio, taranja handball, i Mahatante Paubert, minisitry ny Toekarena manga sy ny jono sy ny sekretera jeneraliny, ny alarobia lasa teo, teny Vontovorona.
Niresaka mahakasika ny hetahetan’ny mpilalao no anton’ity fihaonana ity. Marihina fa atleta avy any amin’ny faritra avokoa izy ireo, ary efa nahazo amboara betsaka. Ankoatra izay, notoloran’ity minisitra ity fanampiana ara-tsakafo ny Akio, mba hahazoan’izy ireo hery sy tanjaka amin’ny lalaon’ny Nosy.
Marihina fa ny minisitry ny Toekarena manga sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny no mpiahy ny taranja handball eto amintsika. Ankoatra ny lalaon’ny Nosy, hiatrika fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “IHF Trophy Challenge Continental”, sokajy vehivavy, ny Akio “Junior” sy “Cadette”. Fifaninanana hotanterahina ny 8 -12 aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa izy ireo no tompondakan’ny Zone 6, fifanintsanana natao tany Afrika Atsimo, ny volana mey lasa teo.
Fitia