Kitra sokajy vehivavy – « Mondial 2023 » : resin’i Nigeria 3 no ho 2 i Australie

Notanterahina omaly, tao amin’ny kianjan’i Suncorp Australie, ny fihaonana teo amin’i Nigeria sy i Australie, taranja baolina kitra, vehivavy. Lavon’i Nigeria tamin’isa 3 no ho 2 i Australie, mpampiantranon’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taona 2023. Fifaninanana atao ny 20 jolay-20 aogositra ho avy izao. Lalao tafiditra amin’ny andro faharoan’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona “B” ity natao ity.
Raha hiverenana ny fi­haonana, ny tompon-tanàna, tamin’ny alalan’i Emily Van, no nahatafiditra baolina voalohany, teo amin’ny minitra faha-45(+1). Taorian’io (45+5), nosahalain’i Uchen­na Kanu ny baolina, ka 1 no ho 1 ny isa nentina niala sasatra. Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nisy ny tandrevaka nataon’ny vodilaharana aostralianina ka nampian’i Ohale ny isa ho an’i Nigeria, minitra faha-65. Niampy ihany ny isa ho an’ny Afrikanina, rehefa tafiditr’i Oshoala ny baolina, minitra faha-72. Tany amin’ny minitra faha-90(+10), vao nampihena ny isa ho an’i Australie i Alanna Kennedy. Nifarana tamin’ny isa 3 no ho 2 ny lalao, nandresy i Nigeria.
Araka izany, mitana ny laharana voalohany ao amin’ity vondrona B ity i Nigeria, raha toa ka i Canada no faharoa.

Fitia

Ireo voka-dalao
omaly :

Nigeria (3) vs (2) Australie
Portugal (2) vs (0) Vietnam
Etats-Unis (1) vs (1) Pays-Bas

Partager sur: