Ankadindratombo : tratra ireo telo lahy nanafika tranombarotra

Voasambotry ny polisy, afakomaly, ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana tranombarotra tetsy An­ka­dindratombo. Mpiambina iray tao amin’ilay tsenambarotra ihany no tompon’antoka ta­min’ny asa ratsy. Ny alarobia teo, nanafika tao amina tsena iray tao an-toerana izy telo lahy. Tsy nisy nisaron-tava, nitondra fitaovam-piadiana ary nitaky ny vola tamin’ny mpiasa. Teo an-toerana ny ramatoa iray tomponandraikitr’io tranombarotra io. Niantso vonjy izy rehefa nahita ireo olon-dratsy nanambana basy. Tsy lavitra teo, nahare ny hiakiaka ilay mpitondra taxi, nikasa hijery ny zava-nisy. Tetsy ankilany, nandroba vola nitentina 500 000 Ar ireto olon-dratsy. Poa toy izay, nirifatra nandositra izy ireo. Nifanehatra tampoka tamin’ilay mpitondra taxi, notifirin’ireo telo lahy avy hatrany io raim-pianakaviana io. Voa teo amin’ny lohany ka maty.
Tonga nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana, nanokatra ny fanadihadiana. Aorian’ny famotorana ireo telo lahy, atolotra ny fampanoavana avy hatrany.

Tsiferana R.

Partager sur: