«Japan Tour», taranja baolina kitra. Resin’ny ekipa Cerezo Osaka Japana, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny klioban’i Frantsa ,Paris Saint Germain (PSG) diviziona voalohany. Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’i Yanmar Nagai Japon. Marihina fa indroa amin’ity izay i Luis Enrique no nitondra lalao ho an’ny PSG.
“Sport Equestre”, anisan’ireo nandray anjara tamin’ny “CSO Mondial des Clubs”, tany Frantsa i Madagasikara. Nifarana omaly ny fifaninanana raha toa ka ny 25 jolay teo no nanomboka. Mampiavaka ity taranja ity, hiarahana amin’ny soavaly. Tsara ny mampahafantatra fa misy federasion’ny Sport Equestre eto Madagasikara.
Andron’ny mpitsabo ara-panatanjahantena. Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ilay “1ère journée scientifique de la médecine du sport». Ny fikambanan’ireo Malagasy mpitsabo eo anivon’ny fanatanjahantena no nikarakara azy ity, izay natao hifampizarana ireo haitao mahakasika ny fitsaboana ara-panatanjahantena.
Basikety-Mada U16. Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona lahy sy vavy. Anisan’ny ekipa nandresy tamin’ny ampahefa-dalana ka nahazo ny tapakila
amin’izany, ny ASLFA Amoron’i Mania, ASA Analamanga ary ny MFB BBC Menabe.