Basy Kalachnikov roa sy basy vita tanana iray ary ody ratsy marobe (mohara) no indray azon’ny zandary taorian’ny fifandonana tamin’ny dahalo, ny sabotsy teo. Dahalo telo indray maty voatifitra raha enina hafa kosa azo sambo-belona. Tafaverina amin’ny tompony ireo omby 52 saika lasan’ireo malaso. Nandritra ny fampandrian-tany nataon’ny zandary, niaraka tamin’ny kaominina Vasiana sy ireo fokontany ary ny kaominina manodidina, no nahazoana izao vokatra izao. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo dahalo tafaporitsaka, indrindra fa ireo mpamatsy fitaovam-piadiana ny dahalo. Nanamafy rahateo ny zandary fa tsy mitsitsy amin’ireo dahalo izy ireo amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana ao anatin’ny distrikan’i Mandoto. Tsy vao izao fa anisan’ny faritra tena mampikaikaika ny rehetra ny ao Mandoto, manoloana ny tsy fandriampahalemana. Misy hatrany ny fifanomezan-tanana eo amin’ny zandary Ambatofinandrahana sy Miandrivazo.
J.C