Lozam-pifamoivoizana : zazavavy 7 taona maty voahitsaky ny kamiao

Maty tsy tra-drano ny zazavavy iray nohosen’ny kamiao, tao amin’ny fokontany Antohobe, distrikan’i Betafo, ny 29 jolay teo. Nandeha mafy ity fiara mpitatitr’entana ity. Nahazo ny RN-34, sendra zaza niampita tampoka ny arabe ny mpamily, teo amin’ny PK 43 + 300. Tsy tafajanona intsony ny fiara. Tetsy andaniny, nentin’ny hatairana, tsy nahahetsika ilay zaza. Voa­hosin’ny fiara izy ka lavo tamin’ny tany. Notetezin’ny kodiaran’ilay kamiao ny vatan’io zazavavy io. Vokany, maty tsy tra-drano. Nitangorona ny fokonolona nanatri-maso . Nahare ny zava-nisy, nijery ifotony ny raharaha ny zandary. Nosamborina avy hatrany ny mpamily ny kamiao. Nai­ditra ambalam-pamonjana ny fiara. Natolotra ny fianakaviany, taorian’ny fizahana ny razana. Ankoatr’io, kamiao iray nifaoka mpitondra taksibrosy teo Ambalaranokely, distrikan’ i Maevatanana, afakomaly. Nivoaka ny fiara izay nijanona amin’ny sisin’ny arabe ny mpamily, teo amin’ny PK-318 . Tampoka, voafaokan’ny kamiao ilay mpamily taksibrosy. Maty tsy tra-drano izy. Samy nikasa hihazo an’i Mahajanga ireto fiara tra-doza ireto. Manoloana ny tranga tahak’izao, notsindrian’ny zandary fa ilana fitandremana ny fampiasana lalam-pirenena hisorohana ny loza. Voaka­sik’izany avokoa ny mpamily sy ireo lalan’ny mpandeha an-tongotra.

Tsiferana R.

Partager sur: