TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fiofanana tselatra eo amin’ny kabary. Rahampitso 1 aogositra, zoma 4 aogositra ary ny zoma 11 aogositra no hanatanterahin’ny Fikamba­nan’ny mpikabary malagasy maneran-tany izany, etsy Andavamamba. Hianarana amin’izany ireo karazan-kabary fanao amin’ny vaninandro miavaka toy ny tsingerin-taona, asaramanitra, fitokanana isan-karazany.

Mahatratra 51 ny isan’ny tarika mpanao hiragasy eto Madagasikara. Izy ireo no mivondrona ao anatin’ny Federasion’ny mpihiragasy eto Mada­ga­si­kara. Fantatra, omaly, nandritra ny fitokanana ny Kianjan’ny hiragasy eo Anosy, io tarehimarika io. 25 ka hatramin’ny 35 olona eo ho eo kosa ny mpikambana ao anatin’ny tarika tsirairay.
Atrikasa teatra. Mitohy hatrany ny atrikasa sy fampahafantarana mahakasika ny teatra, karakarain’ny Compagnie Miangaly Theatre, eny amin’ny Epp Antsahabe. Nomena vahana manokana ny ankizy, tamin’ity hetsika ity. Ny sabotsy 5 aogositra 2023 no hifarana izany atrikasa izany, ary hisy ny seho ataon’ireo mpiofana mandritra izany.
«Antsika hisoma vakansy». Tanterahina ma­nomboka rahampitso, hatramin’ny 4 aogositra 2023, ny hetsika, karakarain’ny IKM Antsahavola. Atr­ikasa sy fampianarana ary kilalao sy fifaninanana no handravaka ny hetsika. Ny ankizy no tena mahazo tombony amin’ny hetsika, indrindra ao anatin’izao fialantsasatra izao.

Partager sur: