LALAON’NY FRANKOFONIA : Tafakatra ampahefa-dalana ny ankoay

Nandresy ny ekipan’i Tonizia , noho ny tsy fahafahana nilalao, ny ekipa malagasy, omaly, ao anatin’ny lalaon’ny Frankofonia, taranja basikety. Tafakatra amin’ny ampahefa-dalana, araka izany, ny Ankoay. Taorian’ny faharesena tamin’ny isa ety dia ety, nanoloana an’i Cameroun, ny sabo­tsy lasa teo.Antony tsy nahafahan’ny tonizianina nilalao ny olana teo amin’ny fanamiana. Efa nomena 40mn ry zareo hanoloana izany noho ny fitoviana tamin’ny an’ny Malagasy. Tsy tonga ara-potoana ka tsy afaka ny niakatra kianja in­tsony.
Raha hiverenana ny lalao nihaonana tamin’i Cameroun, isa 4 monja ny nanelanelana ny roa tonta, izay nahazoan-dry zareo Camerounais ny fandresena. 70 no ho 66 ny isa nisarahana. Nanjakan’ny Ankoay tanteraka ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa. Nanomboka niady ny lalao tamin’ny ampaham-potoana fahatelo, saingy mbola nanantombo ny Malagasy.
Telo minitra tsy hifaranan’ny lalao, nanantombo i Came­roun. Resy tamin’ny isa 66 no ho 70 ny Ankoay. Araka izany, laharana faharoa ao amin’ny vondrona C i Mada­gasikara. Nahazo ny tapakila hiatrehana ny lalao ampahefa-dalana. Fandresena iray ihany dia ampy niakarana amin’ny dingana manaraka, izay hatao rahampitso.
Mpilalao mendrika i Hajanirina Muriel. Nampiseho ny fahaizany tanteraka izy tamin’ny lalao natrehany.

Mi.Raz

Partager sur: