Kitra, vehivavy- Mondial 2023: miisa enina ireo firenena efa tafita

Efa tafita amin’ny dingana manaraka ho an’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, i Suisse, i Norvege (Vondrona A), i Espagne, i Japon (sokajy C), i Angleterre (D), i Colombie (H). Fifanina­nana izay tanterahina any Australie sy Nouvelle Zélande, ny 20 jolay-20 aogositra ho avy izao.
Ankoatra izay, notonto­saina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’i Suncorp Aus­tralie, ny andro faharoan’ ny vondrona « F ». Nihaona tamin’izany, i France sy i Brésil. Lavon’ny Frantsay mpilalao, tamin’isa 2 no ho 1, ny Brezilianina, tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taona 2023.
Raha hiverenana ny fihaonana, i Eugenie le Sommer, lohalaharana frantsay no nanokatra ny isa voalohany, teo amin’ny minitra faha-17, fizaram-potoana voalohany. Io isa 1 no ho 0 io ny nentina niala sasatra. Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nosahalain’i Debinha ny isa, ny minitra faha-58. Tany amin’ny minitra faha-83 vao nahita fandre­sena i France, rehefa tafiditry ny lohan’i Wendy Renard, vodilaharan’i frantsa, ny bao­lina. Araka izany, 2 no ho 1 no niafaran’ny lalao, nandresy i France. Taorian’ny lalao, mi­tana ny laharana voalohany ao amin’ity vondrona F ity i France, raha toa ka fahatelo i Brésil. Marihina fa i Jamaika no faharoa amin’ity sokajy ity ary farany i Panama.

Fitia

Ireo voka-dalao omaly :

Maroc (1) vs (0) Corée du Sud
Norvège (6) vs (0) Philippi­nes
Suisse (0) vs (0) Nouvelle Zélande
Allemagne (1) vs (2) Colombie.

Ireo lalao rahampitso :

10 ora : Japon vs Espagne, Costa Rice vs Zambie
1 ora : Irlande vs Nigeria, Canada vs Australie

Partager sur: