Basikety – Mada U-16: tompondaka ny Ascut zazavavy

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy zazavavy la­tsaky ny 16 taona, ny Ascut Atsinanana . Fiadiana ny tompondaka nasionaly U-16, no­tanterahina tany Toamasina, ny herinandro lasa teo. Omaly alahady no nanaovana ny famaranana ka nivoaka ho mpandresy 62 no ho 52 nanoloana ny Mb2All, ny ekipan’ny Ascut, laharana fahatelo U-16.
Efa nanomboka ny faran’ ny herinandro teo ihany koa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny so­kajy latsaky ny 18 taona lahy sy vavy. Any Ambositra ny ha­natanterahana ny fifanina­nana, izay haharitra hatramin’ ny 6 aogositra izao. Nisonga­dina nandritra ny roa andro, ny ekipan’ny EBF, Fandre­fiala, Fandrasa, DCA ary ny Sepa ABM.

Mi.Raz

Partager sur: