Tontosa ny zoma teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny 1ère série ho an’ny sampana teknika. Hanomboka anio ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja fototra rehetra 2ème série.
Vita ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny fampianarana ankapobeny, izay niteraka savorovoro ny olana marobe niseho. Mbola nitohy tamin’ny fotoam-pitsarana rahateo izany. Niteraka adihevitra ny taranja Fizika sy Simia ho an’ny sokajy S. Tsy tafiditra tao anatin’ny fandaharam-pianarana ny laza adina. Voakasika ny Physique nucléaire, ny Electromagnétique tapany voalohany ary ny Mécanique tapany faharoa. Taorian’ny dinika sy ny fifandresen-dahatra, tapaka fa tsy misy ny “bonus” homena ny mpiadina, hoy ny fanazavan’ny mpitsara. Nanambara izy ireo fa azo atao ny manome fahalalana mihoatra izay voafaritry ny fandaharam-pianarana fa maha voasazy ny manadina ny zavatra tsy natao mandritra ny fanadinam-panjakana tahaka izao.
Miandry fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitondra izy ireo momba ity tranga ity. Tamin’ny taon-dasa, efa nanao antso tamin’ny fanjakana ny mpampianatra hisahana ny sokajy vaovao rehetra : L-S-OSE fa ilaina ny fampiofanana hisorohana ny olana teknika mitovy amin’izao. “Coefficient 6” ny taranja Fizika Simia ho an’ny sokajy S. Nisy ny tandrevaka avy amin’ny mpamolavola ny laza adina, ny mpiadina no mizaka ny vokany.
Ho an’ny sokajy C, nisy tsy fahatomombanana ny taranja Matematika tamin’ity baklorea 2023 ity. Novolavolaina tsy ho vitan’ny mpiadina anatin’ny fotoana voafaritra kosa ny taranja Fizika sy Simia ho an’ny sokajy D. Na teo aza ny olana tsy nisy ny “bonus” nomena ,
Vonjy A.