Notontosaina tao amin’ny Alliance française Andavamamba, ny famaranana ny andiany fahafito, tamin’ny fifaninanana nasionaly ho an’ny tantara an-tsehatra amin’ny teny frantsay.
Nikarakara ny hetsika ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mpiara-miasa ny tetikasa “Éducation service de coopération et d’action culturelle (EduSCAC)” an’ny masoivoho frantsay sy ny fikambanan’ny mpampianatra miteny frantsay eto Madagasikara.
Tropy 43 manerana an’i Madagasikara no nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Enina tamin’izy ireo no niatrika ny famaranana teto Antananarivo : ny lycée Jules Ferry Faravohitra, ny lycée Rakotoarisoa Ambositra, ny lycée Laurent Botokely Toliara, ny lycée Mixte Antsiranana sy ny lycée Ranoavimanana Norbert, ary ny lycée Ambalakely Lalangina. Norombahan’ny lycée Jules Ferry Faravohitra ny laharana voalohany.
Ny asa soratr’i Charles Baudelaire mitondra ny lohateny hoe : “Le gâteau” no nolalaoviny an-tsehatra. Fialantsasatra any Nosy- Be no valisoa omena azy ireo.
Tanjona amin’ny hetsika ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra ny teny frantsay.
Vonjy A.