Nitsara ny taratasim-panadinana bakalorea araka ny fahaizan’ny mpiadina ny mpitsara ho an’ny sampana teknika, teo amin’ireo taranja telo literera : Frantsay sy Anglisy ary Filozofia izay nisy fifandisoana ny laza adina ho an’ny “spécialité” sasany. Ny mpiadina teny amin’ny LMA sy ny LTC no nitragan’ny olana. Tsy nampiova loatra ny lanjan’ny isa izany satria tsy taranja fototra be “coefficient”, hoy ny mpitsara iray. Azo ambara fa tsara ny vokatra satria tao anatin’ny taratasim-panadinana 50, mahazo salanisa 10/20 na mihoatra avokoa ny antsasa-manila.
Hiroso amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana amin’ireo taranja fototra ny mpitsara manomboka anio. Nisy olana tekinika koa ny laza adina naroso ny fiandohan’ny bakalorea 2ème série ho an’ny “technique industriel” teny amin’ny LMA ka mangataka ny hanomezan’ny mpitsara “bonus” ireo mpiadina. Tsy feno ny laza adina naroso, voatery namorona izany izy ka lany fotoana izay nitarika ny tsy fahavitan’ny laza adina hatramin’ny farany.
Ny 17 aogositra ho avy izao no hatao ny “délibération” ho an’ny bakalorea 2023. Hivoaka aorian’izay ny valim-panadinana satria hosantarina ny 25 aogositra ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Tokony hivoaka mialoha io ny anaran’ireo hahazo ny mari-pahaizana bakalorea. Nitrangana tandrevaka maromaro ny laza adina naroso tamin’ity taona ity.
Vonjy A