Lalambaovao-Ivato: mpitondra bisikileta maty voafaokan’ny 4×4

Voafaokan’ny fiara 4×4! Maty tsy tra-drano ny mpitondra bisikileta iray, omaly, teny Ivato. Saika hamangy ny dadatoany tra-doza tamin’ny bisikileta koa izy, izao namoy ny ainy izao.

Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny lehilahy iray 27 taona teo Vavafolo, lalana Tsara­saotra –Ivato, omaly, tamin’ny 10 ora sy 20 minitra. “Niara-niainga vao maraina tany amin’ny kaominina Amba­to, distrikan’Ambohidra­tri­mo hamangy marary any Antanan­drano izahay telo lahy”, hoy Rakotoarimanana Rolland, rahalahin’ilay tra-doza. Nande­ha alohan’ireto rahalahiny anefa io raim-pianakaviana io rehefa tonga teo Ambodifasina. Hiampita ny lalam-baovao, ni­fanehitra tampoka tamin’ny fiara tsy mataho-dalana nikasa hihazo an’Ivato izy. Poa toy izay, voafaokan’ny 4×4 ilay mpi­tondra bisikileta. Notatazan’ ny fitaratry ny fiara ny lohany sy ny vatany ka nipitika naka ny sisin’ny arabe. Nitsirara tamin’ny tany. Nandriaka ny ra kinanjo nanary aina teo noho eo io lehilahy io. “Taraiky taty aoriana izahay roa lahy satria izy nandeha aloha”, hoy i Rolland, rahalahin’ny maty. “Olana ny fisetrasetran’ny fiara mpandalo ety ka matetika hisian’ny loza”, hoy Rasolo­nirina Elisabeth, mponina eny an-toerana.

Andro miditra
Niainga avy any amin’ny 50 km ivelan’ny Renivohitra hitsidika ny rahalahin-drainy narary mafy ity tra-doza ity sy ny rahalahiny roa. “Mbola ni­fampivazivazy toy ny mahazatra izahay telo lahy teny an-dalana”, hoy hatrany ny zandriny. Nijery ifotony ny zava-nisy teny an-toerana ny solontenan’ny mpitandro filaminana. Nentina nozahana teny anivon’ny hopitaly HJRA ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy 27 taona. Notanana atao fanadihadiana kosa ny mpamily ny fiara 4×4. Tsiahivina, nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana roa lahy ni­tondra moto koa teo amin’ity toerana nahafaty ilay mpitondra bisikileta tetsy amin’ny lalam-baovao ity, ny avrily teo.
Taxi-be 163 iray saika hi­songona kamiao koa tra-doza teo Ankadimbahoaka, omaly maraina.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: