Fanafihana : jiolahy roa maty voatifitra

Raikitra ny fifampitifirana, maty ny jiolahy roa lahy tao Toliara Renivohitra, afakomaly. Nitondra basy vita tanana, nanafika tao amin’ny Sanfil Toliara ny olon-dratsy telo lahy, ny harivan’ny alahady 30 jolay teo. Renim-pianakaviana 64 taona no voatafika. Naratra noho ny daroka io ramatoa io. Naharay antso avy hatrany ny lehiben’ny polisy ao an-toerana. Nidina hanamarina ny zava-nisy, nifanehatra tamin’ireo telo lahy ny polisy. Narefotry ny jiolahy ny basy poleta. Tsy nanaiky lembenana ny polisy. Nifanenjehana ireo mpanafika.Voa ny bala ny iray. Nikasa hanavotra io namany io, voatifitra koa ny iray hafa. Vokany, maty teo noho eo ny roa lahy. Nanao tongotra an-katoka nandositra ny fahatelo. Ity farany izay nitondra sabatra lavalela. Mitohy ny fikarohana io jiolahy tafaporitsaka io. Nogiazana ireo basy roa sarona teny amin’izy roa lahy.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: