Nanambara amin’ny fomba ofisialy ny maha kandidà filoham-pirenena azy amin’ny fifidianana Andrianainarivelo Hajo, omaly, tetsy Ankerana. Nambarany fa misokatra ho an’ny rehetra ny tenany sy ny MMM.
Nanapa-kevitra ny filankevi-pirenena, ahitana ny birao politika sy ireo olom-boafidy ary ny tomponandraikitra isam-paritra, fa handrotsaka kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tapaka tamin’izany fa hirotsaka hofidiana Andrianainarivelo Hajo ary hitondra ny fanevan’ity antoko ity sy hitarika ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena rehetra. “Raisiko ho ahy ny fanapahan-kevitry ny antoko ka ambarako fa kandidà aho. Tsy ho kandidàn’ny antoko Malagasy miara-miainga ihany fa ho an’ny Malagasy rehetra mitaky ny tena fanovana ary sahy hanarina ny firenena”, hoy izy. Nanteriny fa tahaka ny Malagasy rehetra ihany ny tenany. Maharary azy koa ny firenena ary mahatsiaro ho tomponandraikitra matoa mbola sahy mijoro, araka ny nambarany. Tsy mahazo milavo lefona na betsaka aza ireo kivy. “Tsy maintsy miady amin’ny tsindry sy ny didiko fe lehibe, nanjaka ary mbola manjaka ka nandrendrika ny firenena isika”, hoy ihany izy. Notsindriny fa mamintsika i Madagasikara ka tsy maintsy miala nenina sy ho sahy ary tena sahy ho an’ny ampitso.
Niantso ny rehetra leo ny adilahy politika sy te hitsinjo ny ampitso ny tenany hifanome tanana aminy. Teo koa ny antso avo nataony amin’ireo mpikatroka MMM hisokatra amin’ny olom-pirenena tsy ankanavaka ary handray am-pitiavana ireo vonona hiady ho an’ny tannin-janaka.
Tsiahivina fa kandidà ho filoham-pirenena fahatelo, nanambara ny filatsahan-kofidiana izany izao ny filoha nasionalin’ny MMM, taorian’i Paraina Auguste sy ny avy amin’ny Tim, Ravalomanana Marc
.
Synèse R.




