Fanoitran’ny fampandrosoana ara-toekarena ny sehatra tsy miankina. Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena farany teo, miankina amin’ny fihetsiky ny orinasa tsy miankina sy ny mpanjifa ny hoavin’ny firenena rehetra maneran-tany, manoloana izao krizy ara-toekarena mavaivay izao.
Fototry ny seha-pihariana manan-danja ny fampiasam-bolan’ny tsy miankina. Fomba hanatanterahana azy ny famoronan’izy ireo tolotra vaovao, mba hamoronana asa. Mitaky fifamatorana amin’ny toekarena ankapobeny izany. Manome ny telo ampahefany (3/4) ny fampiasam-bola rehetra ny any amin’ny sehatra tsy miankina any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana.
Etsy ankilany, mahita koa ny Banky Iraisam-pirenena fa miteraka tolotra vaovao ny fisian’ny krizy ara-toekarena rehefa tena hita ny olana. Tsapa izany amin’ny alalan’ny fikarohana vahaolana. Nitranga io voalaza io taorian’ny krizy ara-bola maneran-tany, ny taona 2009, satria vao mainka nitandrina ny fanjakana isaky ny firenena. Saika nanao izay paikady izay daholo ny ankaramaroan’ny firenena rehetra.
Njaka A.