Miisa 504 ny mpiasan’ny kaominina nahazo fiofanana avy any amin’ny faritra miisa dimy: Sava, Analamanga, Menabe, Atsinanana ary Analanjirofo. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ivontoeram-pirenena mikasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL) sy ny Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana eny ifotony (FDL). Nanohana ny governemanta Amerikana, amin’ny alalan’ny Antokondraharaha ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Usaid) sy ny Pnud ao anatin’ny fandaharanasa « Rindra ».
Anisan’ny niompanan’ny fiofanana ny mahakasika ny hetra eny ifotony, ny tetibolan’ny fandaharanasa, ny fitantanana ara-bola sy ny kaontim-bola, ny paikady mikasika ny hetra sy ny karatany ary ny fitantanana ny fotodrafitrasa hataon’ny kaominina.
Tanjona amin’ity fiofanana ity ny hanamafisana sy ny hanatsarana ny fitantanan-draharaha any amin’ny kaominina ao anatin’ireo faritra dimy voalaza ireo. Tokony ho afaka mamorona tetikasa ireo mpiasa ireo aorian’izao fiofanana izao. Nozaraina, omaly, ny taratasy mari-piofanana.
Njaka A.