Fananganana trano manara-penitra : manomboka amin’ny 40 tapitrisa Ar

Fanamby iraisan’ny tsirairay ny hanorina trano hisorohana amin’ny olana samihafa. Aman-tapitrisany maro ny fananganana trano ara-dalàna sy manana ireo fepetra takin’ny fanamboarana.

Tsy mora ny manangana trano manaraka ny fepetra ara-dalàna. Betsaka amin’ireo mpanangana no tsy manaraka ny fenitra takin’ny fanamboarana. Vokany, tsy maharitra ny fotodrafitrasa. Ankehitriny, manomboka amin’ny 40 tapitrisa Ar ny vola ilaina raha te hisitraka trano ma­naraka ny fepetra takina rehetra. Izany hoe, anatiny avokoa ny trano fidiovana sy fivoahana ary ny lakozia. “Sarotra ny fananganana trano eto an-drenivohitra amin’ny fahateren’ny toerana. Sarotra ihany koa ny fahazoana alalana manangana trano”, hoy Rasoamampionona Donnat, tomponandraikitra amina orinasa mpanao trano iray. Miakatra avokoa ny vidin’entana sy ny kojakoja ilaina amin’ny fananganana. Teo aloha, afaka misitraka trano amina vola 25 tapitrisa Ar ny olona iray, tafakatra hatamin’ny 40 tapitrisa Ar izany ankehitriny. Ahavitana efitrano fatoriana roa sy trano fandraisam-bahiny iray, io lelavola io. Tombony, afaka mampiakatra ilay trano ny tompony fa tsy voatery mifindra toeran-kafa.

Sedra
Olana goavana ho an’ireo maniry hanangana trano eto an-drenivohitra ny tsy fananana taratasy ara-dalàna. Misy ireo manana tany fa tsy mbola misoratra aminy izany. Ao ireo te hanana trano saingy tsy manana tany, tsy vitsy koa ny mpisoloky isan-karazany. Ny herinandro teo, nisy ny hetsika “foara trano” nokarakarain’ny The master Agency, tetsy andrefan’ Ambo­hijanahary, entina hanampiana ireo rehetra maniry hanangana ity fotodrafitrasa ity. Nandritra izany, nisy ny tolo-kevitra nozaraina ho an’ireo mpitsidika. Ankoatra izay, samy nampiranty ireo akora sy kojakoja ilaina rehetra momban’ny trano ireo tranoheva 36 teny an-toerana.

Henintsoa Hani

Partager sur: