Tetikasa « Produir » : nampitaovana ny kaominina efatra

Notanterahina omaly, tao amin’ny foiben’ny Produir, etsy Manakambahiny, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny kaominina Bemasoandro, Andranonahoatra, Anosizato Andrefana, ary ny Rafitra fikojakojana ny rano sy ny fahadiovana (RF2) tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa «Produir». Fitaovana entina mifanerasera 55, fitaovana fandraofana fako 755, sarety 100 ary fiarabe telo no natolotry ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany, Ramaholimasy Holder, ny mpandrindra ankapobeny ny tetikasa, Rasolofojaona Haja, nandritra izany. Tonga nanotrona ny lanonana teny an-toerana ihany koa ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina sy ireo ben’ny Tanàna telo misitraka ny tetikasa, ary ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena mamatsy vola ny tetikasa. Tafiditra ao anatin’ny singa iasan’ny Produir ny fanolorana fitaovana izay misahana ny fampitaovana sy fanohanana ireo kaominina sy ny RF2. Hoentina hikojakojana ireo fotodrafitrasa an-tanàn-dehibe ireo fitaovana.
An-dalam-pahantanterahana tanteraka ny andiany voalohany amin’ny fotodrafitrasa an-tanàn-dehibe miisa 206. Mahatratra 234 ny fotodrafitrasa ao anatin’ny dingana faharoa toy ny lalankely, fanasan-damba, toerana famakiam-boky…

Vonjy

Partager sur: