Vehivavy afrikanina : mbola betsaka ireo miaina anaty herisetra sy marefo ara-pivelomana

Nomarihina omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina. Nitondra hafatra ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, Soafilira Princia, ka nilaza fa fotoana hahatsiarovana ireo dingana rehetra efa natao ho fampivoarana ny zon’ny lahy sy ny vavy sy ho fanamafisana ny ezaka natao ny fanamarihana.
Lohahevitra ny mikasika ny fanavaozana sy ny teknolojia ho amin’ny fitovian-jo ny lahy sy ny vavy ary ny ankizivavy malagasy.
Miompana amin’ny fametrahana ny haitao ara-kajy mirindra ho fomba iray hahafahan’ny vehivavy sy ny tovovavy mitondra fiovana sy fampandrosoana ho azy ka hahatrarana ny miralenta izany.
Niantso ny mpiara-miombon’antoka izay tsy mikely soroka amin’ny fampivoarana ny vehivavy ny minisitra Soafilira Princia. Mbola maro ireo renim-pianakaviana sy ankizivavy miaina anaty herisetra sy marefo eo amin’ny fivelomana noho ny fanavakavahana sy ny tsindrihazolena vokatry ny tsy fahafahany misitraka ny zony.
Nanentana ny tomponandraiki-panjakana sy ny olom-pirenena, ny tanora, ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ary ireo raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana koa ny tenany mba hiara-dalana hamongotra ny herisetra, hampanjaka ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy.
Haneho fiaraha-mientana hatrany, hanatratra ny tanjona iraisana ka hisitrahan’ny vehivavy ny zony amin’ny lafi-piainana rehetra, hahafahany mandray anjara amin’ny fampandrosoana.

Tatiana A

Partager sur: