Rallye : hanana vehivavy mpanamory ny TMF

Nanitatra ny ambaindain’ny mpanamory ao aminy ny klioba TMF Rallye sy ny mpanohana azy ireo. Tsy hianona fotsiny amin’ny lehilahy izy ireo fa hanome sehatra ny andriambavilanitra, amin’ireo dingana roa farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny rallye. Nisy, araka izany, ny fitiliana ireo tanora manan-talenta amin’ny familiana fiarakodia, natao teny Soavinarivo Ivato, ny alahady lasa teo. Nahatratra 25 ireo nifaninana ka 3 tamin’ireo no nalaina izay nahavita fe-potoana tsara indrindra. Anisan’ireny, i Sam Eva sy i Ophelya ary i Vanilla. Marihina fa mbola zazavao amin’ny rallye izy ireo ary sambany vao hiatrika izany. Nanapa-kevitra, i Mika sy i Faniry, mpanamory ao amin’ny TMF fa homena ho entin’i Sam Eva ny fiara Citroen C2 ary ho an’i Ophelya ny Peugeot 106 ary fiara avy amin’ny mpanohana ny an’i Vanilla.
Marihina fa klioba manana ny toerany eto an-toerana sy any ampitan-dranomasina ny TMF, raha eo amin’ity taranja mekanika ity no resahina.

Torcelin

Partager sur: