SOMBIM-BAOVAO

Lomano. Manoman-tena any Toamasina,
amin’izao fotoana izao, ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja lomano. Efa herinandro izy ireo izay no nanomboka ny fampivondronana tao amin’ny dobo filomanosan’ny CRJS Toa­masina. Hiverina eto Antananarivo ireo mpilomano, mialohan’ny talata 8 aogositra izao.

Kitra Mondial, vehivavy. Nomontsanin’i Japon, tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0, i Espagne. Lalao notanterahina omaly, tao amin’ny kianjan’i Sky Nouvelle Zelande. Marihina fa tafiditra amin’ny andro faran’ny vondrona « C » ity lalao ity. Mitana ny laharana voalohany, araka izany, i Japon raha toa ka faharoa i Espagne.

Lalaon’ny Frankôfônia. Hiditra an-tsehatra rahampitso 2 aogositra, ao anatin’ny lalao afrikanina, any Kinshasa RD Congo, ny taranja Judo. Manana solontena miisa 8 mianadahy hifaninana i Madagasikara. Fifaninanana anisan’ny andrasan’ny maro ny ady hataon-dRasoanaivo Razafy Laura, eo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg.

Hidona amin’ny RD Congo mpampiantrano, anio, ny Ankoay, amin’ny dingana ampahefa-dalana, ny lalaon’ny Frankofonia, taranja basikety, vehivavy. Amin’ny 7ora hariva (9 ora alina eto Madagasikara) no hanatanterahana ny lalao. Tsiahivina, efa tamin’ny ora farany omaly vao fantatra fa ho tanteraka ihany izao ampahefa-dalana eo amin’i Madagasikara sy RD Congo izao.

Partager sur: