Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy, ny federasiona malagasin’ny handball, amin’izao fotoana izao. Mitohy eny Vontovorona ny fampivondronana ireo mpilalao 23, lahy sy vavy, voafantina mialoha. Andrianaivo Mickael, ilay Malagasy monina atsy La Réunion, manazatra ny Chateau Morange, no mitantana ny Akio, lehilahy.
Ankoatra izay, nambaran’ny tomponandraikitra fa miandry ny fiavian-dRavololonirina Valerie, hany mpilalao mpila ravinahitra hanatevina ny Akio de Madagascar, izy ireo ankehitriny. Miandry ny tapakila avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny komity mpikarakara ny lalao sisa, ny fahatongavany. Raha tsy misy ny fiovana tokony ho tonga amin’ny faran’ity herinandro ity, i Valerie.
Raha ny fandaharam-potoana, hivoaka 10 andro mialoha ny lalaon’ny Nosy ny anaran’ireo 18, lahy sy vavy, hiaro ny voninahi-pirenena. Mbola hisy fihaonana tsapa hisedrana ireo mpilalao ka anisan’ny ho jerena ny fahaizan’ny tsirairay mamoaka ny paikady apetraky ny mpanazatra. Marihina fa efa nitondra tohana ara-tsakafo ho an’ny mpilalao ireo minisitra “coach” dia ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ramatoa Yvette Sylla sy ny minisitry ny Jono, Mahatante Paubert, ny herinandro lasa teo.
Tompondaka