Renikely novonoina: nofiraina antsy teo amin’ny tendany

Fatim-behivavy efa mangana sy namoaka fofona hita nihidy tao an-tranony, tao Amparafaravola , ny alahady tolakandro teo.

Voarasa antsy teo amin’ny tendany, mangana ary efa namoaka fofona ratsy ny vatan’ny vehivavy iray na­moy ny ainy tao fokontany  An­tanambao, kaominina am­ba­nivohitra  Ambatomainty. «Na­kapoka tamin’ny fandriana na­toriana mihitsy io vehivavy io raha ny fahitana ny razana», ra­ha ny fanazavan’ny zandary, kaomandin’ny zana-tobim-paritra Ambatomainty, omaly. Nia­ra-nonina tamin’ny vadiny sy ny zanak’io vadiny io ity vehivavy ity. Niakatra nihazo an’i Va­ki­nankaratra ilay lehilahy, ny fa­ran’ny herinandro lasa teo. “Ny zoma alina teo no natory farany tao amin’io vadiny io ilay rangahy”, hoy ny fanamafisan’ny zandary.
Napetrak’ilay lehilahy tao amin’ny tompontrano kosa ilay zanany 11 taona. Ity farany izay nafarany hamonjy azy any Vakinankaratra. Haka ny akanjony napetraka tao amin’ny tranon’ny renikeliny, vatana mangatsiaka efa mitsirara no hitan’ilay zazalahy sy ny tompontrano ny alahady 30 jolay tamin’ny 3 ora tolakandro. Niantso mpitandro filaminana izy ireo. Noza­hana, voamarina fa niniana no­vonoina io vehivavy io. Nipa­rit­a­ka eran’ny trano rahateo ny ra.

Mpiady lava
Zandrin’ilay lehilahy lavitra amin’ny taona ramatoa vadiny. Saropiaro hany ka tsy mifankahazo matetika izy roa, araka ny filazan’ny loharanom-baovao. “Sarotra ho an’ilay raim-pianakaviana ny hamono ilay vehivavy raha tsy amim-pitaka no­ho izy efa nahazo taona”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny zandarimaria ao Ambatomainty. Tsiahivina, ni­rongatra ny vono olona miharo habibiana tato ho ato. Anisany, ilay raim-pianakaviana novonoina ary nofatorana tao an-tranony tao amin’ny distrikan’i Fan­driana, ny herinandro lasa teo.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: