Lehilahy 23 taona, maty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao Ambodimanga, fokontany Ampasanimalo, boriborintany faharoa, omaly. Niala maraina handeha hiasa no nialany tao an-trano. Niverina tampoka anefa izy. Nifanandrify tamin’io fotoana io, tsy tao an-tokantrano ny vadiny sy ilay zanany. Talanjona ilay renim-pianakaviana nahita ny trano nisokatra. Niditra, vatan’ny rain-janany efa nihantona amin’ny tady no hitany afovoan’ny trano. Nomen’ny mpampiasa azy 110 000 Ariary hividianana lokon-trano io lehilahy io. “Nosavaina ny paosiny, taratasy misy ny anaran’ireo fitaovana ho vidiany saingy tsy nisy vola intsony tao”, hoy ny lehiben’ny fokontany Ampasanimalo, Rakotonirianjanahary Jean Jacques. Nilaza ho tsy nanana olana tamin’io mpiasany io anefa ny mpampiasa, raha natsoin’ny vadin’ny maty. Tetsy ankilany, manahy ny fianakavian’ity lehilahy hita faty ity fa novonoina ny havan’izy ireo fa tsy namono tena velively. Nijery ifotony ny zava-nisy ireo tomponandraikitra.
Tsiferana R.