Nihazo ny any Fianarantsoa ireo mpanao politika. Mitety ireo distrika maromaro any an-toerana ny Tim. Efa any an-toerana koa ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina sy ny depiote Siteny . Nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo izany. Any Farafangana ny HVM, tany Vohiposa ny Tim. Hihazo ny any Ambositra kosa ny Mihava Tour, ny alakamisy izao.
Nankasitraka ny fahavitrihan’ny mpanao politika ny Sadc. Nifarana, omaly ny dian’ireo iraky ny Sadc teto amintsika. Nambaran’izy ireo tetsy Antaninarenina fa navitrika tamin’ny dinika natao ireo mpisehatra politika ary samy naneho fahavononana hiatrika fifidianana. Ho entina any amin’ny foiben’ny Sadc ny tatitry ny fihaonana rehetra ary hamoahana fehinkevitra, omena ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny avy eo.
Aza mieritreritra ny vahoaka malagasy hoe tsy hirotsa-kofidina ny filoha Rajoelina, io no nambaran’ny depiote IRD voafidy tao Antananarivo V, Raholdina Naivo. Mbola betsaka ny adidy sy ny fanohizana ny asa efa vita. Eo koa ny mbola hotanterahina. Tsy teo amin’ny fitondrana aza izy, voafidy, vao mainka fa efa niasa… Tsy meritreritra afa-tsy fifidianana ny antoko TGV sy ny vovonana IRD izay samy misy fitsipika.
Mba hahazoana fifidianana mety, tsy hoe hametraka tahirim-bola iombonana fotsiny hanaovana fifidianana ny Fiombonambe iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny depiote sady filoha nasionalin’ny antoko MTS, Ratsiraka Roland. Mba hasiana fepetra izay famatsiam-bola izay: io avokoa ny zavatra mitovy lazain’ny mpanao politika.