TARATRY ny KANTO

“Volontany”. Tanterahina eny amin’ny Ivokolo Analakely, nanomboka omaly hatramin’ny 15 septambra 2023, ny fampirantiana nampitondraina ny lohateny hoe “Volontany”, tontosain’i Hery Zo Ralaindimby. Hosodoko maneho ny zava-misy eto an-toerana no aseho ao anatin’izay.

Kolontsaina sy kilalao malagasy. Tontosaina manomboka anio, ary hitohy ny 5 sy 6 aogositra 2023, ny fampianarana kabary sy kilalao malagasy, karakarain’ny kaominina Antananarivo, manerana ny boriborintany enina. Tanjon’ny hetsika ny hampahafantatra ny kolontsaina, indridra ny kilalao malagasy sy ny hevitra fonosiny avy.

Raikitra ny andiany faha-12 amin’ny “Jazz@ Tohatoha-bato”. Hetsika lehibe indrindra aty amin’ ny Ranomasina Indiana, eo amin’ny tontolon’ny jazz. Hotanterahina ny 9 aogositra hatramin’ny 13 aogositra ho avy izao. Hahazo vahana ireo talenta vao raha ny fandaharam-potoana no jerena. Saika voatazona avokoa ireo sehatra nanehoana izany hatramin’izay.

“Atelier Hay”. Ny fanenomana lamba amin’ny tanana indray no atrikasa atolotry ny Fondation H, ho an’ny ankizy 6 hatramin’ny 12 taona, ao anatin’ ny “Ateliers Hay”, tanterahina anio, eny amin’ny
fondation H Ambatomena. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny zavakanto izao hetsika izao.

Partager sur: