INDRAY MIJERY

Misitraka fiofanana ho fanamafisana traikefa ireo mpampianatra ny kilasy garabola 43, ao anatin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Ihorombe. Nanomboka ny alatsinainy teo ary haharitra 10 andro ny fiofanana. Manana solontena koa ny mpanolotsaim-pampianarana avy any amin’ny foibem-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsimo Andrefana.

Ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, nomena fitaovana ny toerana famindrana voa sy hopitaly enina.Novatsiana milina mpamokatra herinaratra ahafahana mihodina tsy tapaka izy ireo. Hopitaly dimy hafa koa nisitraka fitaovana mamokatra angovo azo havaozina, anisan’izany ny ao Fianarantsoa, Belo-Tsiribihina. 4 500 ireo mpiasa vaovao noraisina.

Notanterahina tao amin’ny Motel Anosy, ny alatsinainy teo, ary haharitra 5 andro ny atrikasa fanofanana ireo tomponandraikitry ny fikambanana varira isam-paritra. Ny Albinism Africa Network sy ny Firenena mikambana no mikarakara izany. Fampahafantarana ny zo sy ny fiarovana azy ireo no anisan’ny dinika anatin’ny fiofanana.

Manoloana ny fiakaran’ny saram-pitsangantsanganana eny amin’ny morontsirak’i Foulpointe, izay niparitaka tato ho ato, maro amin’ireo mpiala sasatra no kivy avy hatrany ka nisafidy toeran-kafa. Foulpointe anefa no ranomasina tony sy azon’ny ankizy madinika ilalaovana.

Partager sur: