“Zon’ny mpanohitra ny mitarika olona hidina an-dalambe. Izany ny demokrasia. Mitondra ny heviny amin’izany, mandresy lahatra ny olona amin’izany. Zony izay. Politika no atao. Mbola mila an’izany ve ny vahoaka malagasy? Anjaran’ny vahoaka ny mamaly an’izay” Izay ny fanehoan-kevitry ny filoha mpanorina ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, izay efa kandidà ho filohan’ny Repoblika tamin’ny taona 2018, momba ny fikasana na fivoizan’ny sasany ny fidinana an-dalambe.
Samy manana ny tetikady politikany. Misy mieritreritra fa tsy maintsy atao ny Tetezamita, na tsy mieritreritra hahazo fanjakana amin’ny alalan’ny fifidianana. Zarany aza misy Tetezamita mba hahazoany miditra ao anelanelan’izay. Mba mahazo toerana izy amin’izay. Safidy ny azy iny. Fifampiresahana amin’ny rehetra ny politika, adihevitra. Vao manomboka izao ny adihevitra fa tsy mifarana.
Tsara ny hisian’ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina hialana amin’ny kandidà mpikarama an’ady politika. Adihevitra ny fifidianana. Raha tsy mbola adihevitra ny fifidianana eto Madagasikara, aza ferana ny fampiasam-bola. Hatramin’izao aloha ny fifidianana eto dia resaka rindrankira, tee-shirt, lalam-bola… Rehefa izay ihany, aza ferana aloha ny vola ampiasaina amin’ny fampielezana-kevitra. Inona no tokony hamerana an’izany raha mbola hizara “tee shirt”, handeha helikoptera… ? “Rehefa tsy mahazaka adihevitra isika, aleo mba samy handany ny volany ao avokoa ny kandidà raha manam-bola izy. Satria miditra any am-paosin’ny vahoaka ihany izany”, hoy izy.
R. Nd.




