VAOVAO TAMBATRA

Raisin’ny mpanjifa ho fanararaotana tafahoatra ny saran’ny fankanesana eny amoron-dranomasina any Foulpointe, amin’izao fialan-tsasatra izao. Midangana izaitsizy ny vidin-tsakafo, ny zava-pisotro, ny fandehanana lakana, ny fitsangatsanganana, sns. Maro ireo mpitsangantsangana no nanapa-kevitra tsy ho any fa hiova toeran-kafa.

Mbola maro ireo taxi-be mihodina an-dalana, tsy manaja ny lalan-jotra. Mihodina eo amin’ny Cnaps Ampefiloha ny avy any Itaosy, eo Anosy ny avy any Andoharanofotsy, Eo Andranomena na 67 ha ny avy any Ivato. Mitranga ireo manomboka amin’ny 4 ora hariva. Sao misy ny firaisana tsikombakomba na kolikoly amin’ny mpitandro filaminana ?

Naharitra adiny 6 ny delestazy teto an-drenivohitra. Tapaka tamin’ny 10 ora sy sasany alina ny jiro, tsy niverina raha tsy tamin’ny 4 ora sy sasany maraina, teny amin’ny boriborintany fahadimy. Fotoana tena mampirongatra ny asan-jiolahy nefa io. Afaka herinandro eo sisa ny fampanantenana nomena ny mpanjifa fa ho foana ny delestazy.

Manodidina ny 2 000Ar hatramin’ny 3 000 Ar ny kilaon’ny lavanila maitso, any Maroantsetra sy Mananara Avaratra. Maro anefa ny vokatra tamin’ny taom-pambolena 2022-2023 tsy mbola nisy nividy, nefa nisokatra ny 7 jolay teo ny fotoam-piotazana 2023. Mitaraina ny tantsaha mpamboly satria tsy misy mividy ny vokatra.

Partager sur: