Tsy afaka miatrika ny lalao ara-pirahalahiana, atao etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny 15 aogositra ho avy izao, ny Palanças Negras Kenya. Marihina fa hitsapa ny Barea de Madagascar izy ireo amin’izany. Raha ny fanazavana voaray, tsy tontosa ny fihaonana noho ny hamaroan’ ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenen’i Kenya hiatrika ny fifaninanana isan-tarika aty Afrika miaraka amin’ny kliobany.
Araka ny vaovao voaray teny anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, omaly, “mitohy ihany ny fanazaran-tena sy ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny 25 aogositra -3 septambra ho avy izao na dia tsy tontosa aza ny lalao izay nokarakarain’ny ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena.”
Nohamafisin’ity loharanom-baovao eo anivon’ny FMF ity, tsy mbola misy resaka ihany koa ny mahakasika ilay fiofanana handehanana any Afrika Atsimo hatramin’ izao, izay hotanterahina aorian’ny lalaon’ny Nosy.
Tsiahivina fa ny 17 jolay lasa teo, teny Mahamasina, nilaza ny minisitry ny Fanatanjahantena, Haja Andre Resampa fa hisy io fiofanana io, ary tanjon’izy ireo ny hampandresy ny ekipam-pirenena malagasy amin’ireo lalao rehetra hataony. Tsara ny mampahatsiahy fa ny alahady 30 jolay, lavon’i Madagasikara tamin’ny isa 3 no ho 1, i Mayotte.
Ankoatra izay, tsy afaka namonjy ny fampivondronana ny Barea, natao tany Mahajanga, i Aro Hasina na i Dax noho ny tsy fahasalamana mahazo azy, hoy ihany ny FMF.
Fitia