Tselatra

Renim-pianakaviana iray niharan’ny fanendahana niaro tsatok’antsy teo Mascar fokontany Anjana­hary, omaly hariva. Norobain’ny jiolahy nitondra antsy lava izy. Nolerany antsibe io ramatoa io taorian’izay ka tsy nisy sahy nanantona noho ny tahotra ireo nanatri-maso.

Namoy ny ainy nihohoka tao anaty sinibe nisy toaka gasy ny lehilahy iray tao Sambava, ny alin’ny 31 jolay hifoha 1 aogositra teo. Nisotro toaka niaraka amin’ny namany izy. “Niezaka haka toaka anaty sinibe ka nitsongolika. Tsy tafarina intsony ary sempotra tao anaty toaka”, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fokontany ao an-toerana.

Tovolahy nanolan-jaza voasambotry ny polisy tao amin’ny kaominina Ambatosia, distrikan’i Beala­nana, ny 1 aogositra teo. Zazavavy 4 taona niharan’ny filan-dratsin’io olon-dratsy io. Potika tanteraka ny fivavian’ny lasibatra. Natao famotorana ka hatolotry ny polisy ny fitsarana ny raharaha aorian’izay.

Moto iray lasan’ny jiolahy tetsy Itaosy, omaly tamin’ny 12 ora sy sasany. Nitondra basy, nambanan’ireo olon-dratsy ny tompon’ny moto. Resin-tahotra ny tompon’ilay kodiaran-droa, nidina. Nentin’ny jiolahy nirifatra niaraka tamin’ny taratasy rehetra io moto io, taorian’izay.

Partager sur: