Mihazakazaka ny toe-draharaha politika amin’ izao ankatoky ny fifidinanana, ho filoham-pirenena hotanterahana ny 9 novambra, izao. Tsy niandry ela fa nanao fanambarana ny fijoroany eto anivon’ny faritra Atsinanana ho mpanohana ny kandidà Ravalomanana Marc ny vondron’ olona sy fikambanana maromaro, mandrafitra ny Komity manohana an’i Marc Ravalomanana (KMMR). Nampahafantarina ampahibemaso, omaly maraina 2 jolay teo, tetsy amin’ny trano fisakafoanana iray etsy Tanambao fahadimy izany. Efa famaliana sahady ny antso sy ny nilazan’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc ny maha kandidà azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena izany. Mitarika sy mandrindra ny KMMR faritra Atsinanana, Randrianaivo Joseph, filoha. Efa lefitry ny delegasiona manokana ho an’ny faritanin’i Toamasina ny taona 2004 -2005 ny tenany. Manampy azy eo amin’ny fitarihana saingy ho an’ny distrikan’i Toamasina I kosa, i Jean Baptiste. Mazava ny hafatra sy ny lahateny tamin’izany. “Miantso ny mpanohana rehetra na amin’ny anaran’ny tenany manokana na fikambanana ny KMMR, hanatona ny birao ka hanatevin-daharana ny fanohanana. Misokatra ho an’ny hery velona rehetra izahay ary tsy manavaka sy manilika ireo hiara-dia ka hampandany ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc” hoy hatrany ireo mpitarika.
Sajo sy i Synèse R.




