Namoaka fanambarana, ny 29 jolay teo, ny Monima ary nampahatsiahy ny faha-65 taona nijoroan’ny antoko. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa manana vinam-piarahamonina mifototra amin’i Madagasikara otronin’ny Malagasy ny antoko. ”Tsy sarivongan’ny tombontsoa vahiny izahay ary vonona hanova ny hoavy”, hoy ny fanambarana, nosoniavin’ny filoha nasionaly, i Roindefo Monja. Notanisain’ ny Monima amin’izany fa hiarovana ny firaisam-pirenena sy ny fihavanana. Ny fanandratana ny soatoavina sy ny kolontsaina. Eo koa ny toekarena mahavelona nefa manaiky fiaraha-miasa samy mahazo tombony. “Manome lanja ny tanora sy ny mpandraharaha teratany ary mitsinjo ny maha olona sy ny fiarovana ny tontolo iainana”, hoy ny Monima. Nohitsin’izy ireo koa fa ilaina ny fanajana ny fahalalahana sy ny fenitra demokratika. Anisan’izany ny fifidianana madio, tsy misy fanodinkodinana safidim-bahoaka na koa hala-bato, araka ny fanambarana hatrany.
Eo koa anefa ny demokrasia amin’ny sehatry ny toekarena sy ny sosialy. “Ao anaty fitsinjaram-pahefana arahana fahaiza-manao sy fitiavana hanompo ny firenena sy ny vahoaka”, hoy ihany ny Monima.
Hiomana amin’ny kongresy tsy ho ela ny antoko ary hanao fanambarana momba ny fahitan’izy ireo ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana filohan’ny Repoblika hotanterahina ny 9 novambra izao.
Synèse R.




