Judokas tokana tafakatra tamin’ny dingana farany, omaly, tamin’ireo Malagasy nifaninana teo amin’ny taranja Judo, ao anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia, Andriamifehy Mireille (-52kg). Votsotra teo am-pelatanany anefa ny medaly alimo, rehefa resin’ny mpifanandrina taminy, Kamerone, izy. Tsiahivina, nandresy tamin’ny Ippon, nanoloana ny Judokas Senegale, i Sonko Dioddo, i Mireille, tamin’ny fifanintsanana. Ho an’ireo Judokas malagasy roa kosa, samy resy tamin’ny dingana fifanintsanana avokoa izy ireo, omaly, nahitana an-dRazafindrakalo Natacha (-48 kg) sy Ramahefarison Rianah (-66kg). Rahampitso zoma 4 aogositra kosa no hifaninana, Rasoanaivo Razafy Laura, sokajy latsaky ny 70 kg. Samy manantena sy miandrandra azy avokoa ny rehetra. Manana vintana hahazoana ny meday volamena, ity Judokas malagasy laharana voalohany maneran-tany, eo amin’ny “Junior” -70 kg ity.
Mi.Raz