Araka ny nambaran-dRakotondrabe Romuald, mpanazatra ny Barea, mpilalao 5 avy atsy La Réunion no nantsoiny hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Anisan’izany, i Ando Pro, milalao ao amin’ny JS ST Pierroise. Eo koa i Théodin Ramanjary, vodilaharan’ny AS Sainte Suzanne sy i Rojo Be irakiraky ny Saint Pauloise ary i Baggio Romario, avy amin’ny Ste Jeanne d’Arc, miampy an’i Angelo, mpilalaon’ny AS Excelsior.
Basikety-Lalaon’ny Frankofonia. Hiatrika ny lalao manasa-dalana, anio, ny Ankoay vehivavy, eo amin’ny taranja basikety. Ny ekipan’i Senegal no hifanandrina aminy. Tsiahivina, isa 56 no ho 53 no nandresen’ny Ankoay ny RD Congo, omaly, tamin’ny ampahefa-dalana.
Manomana ny lalaon’ny Nosy koa ny rugby lalaovina olona 7 lahy sy vavy. Ny alarobia 26 jolay lasa teo, nanomboka niatrika ny “stage bloqué”, eny amin’ny ivontoeram-piofanana eny Andohatapenaka ireo mpilalao 42 mianadahy, 21 lahy sy 21 vavy. Nambaran’ny tale teknika nasionaly, fa iray andro mialoha ny fifaninanana vao hivoaka ny anaran’ireo 12 lahy sy 12 vavy, hiaro ny voninahi-pirenena
Tonga nitsidika ireo atleta, mivondrona sy manoman-tena amin’ny lalaon’ny Nosy, eny Ankorondrano, omaly, ny filohan’ny federasiona malagasin’ny fibatana fonjamby, Randriamanarivo Harinelina. Nohamafisiny fa manao izay ho afany ny federasiona amin’ny fanomezana izay rehetra ilain’ireto atleta ireto