Araka ny fanambarana nataon’ny klioba Gaborone United Botswana, omaly, hotontosaina ny 19 aogositra ho avy izao, ao amin’ny kianjan’i National Botswana, ny fihaonan’izy ireo amin’ny Elgeco Plus de Madagascar. Marihina fa dingana mandroso amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, “Coupe de la Confederation CAF”, ity lalao ity. Ny 25 na 26 na 27 aogositra ny miverina, izay hatao eto an-toerana. 23 taona ny mpilalao tanora indrindra ao aminy raha toa ka 53 taona ny zokiny indrindra.
Ho an’ny ekipan’ny Elgeco Plus, manana mpilalao sangany maro, toa an-dry Nina, Datsiry, Onja, Doddy ity klioba ity. Efa ao anatin’ny fiomanana tanteraka ny klioba solontenan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao.
Izay tafavoaka mpandresy amin’ny roa tonta, hihaona amin’ny Supersport United Afrika Atsimo, eo amin’ny fihodinana faharoa. Ny 15 na 16 na 17 septambra ny lalao mandroso amin’izany, raha toa ka ny 29 na 30 septambra na 01 oktobra kosa ny miverina.
Fitia