Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny iray raha eny Antanimora ny efatra amin’ireo tompon’antoka tamin’ilay raharaha famonoana an’i Tsoa…
Taorian’ny raharaham-pitsarana natao tamin’ireo olona dimy voasaringotra tamin’ny famonoana an’ilay mpanakanto sady mpandraharaha Rabemanantsoa Andriatiana na Tsoa, naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy ireo, afakomaly. Nalefa eny Tsiafahy ilay nahavita nandatsa-dra ity tovolahy mpihira ity. Nidoboka eny Antanimora ireo mpivady niray tsikombakomba sady tomponantoka nanome karama ireo nahavanon-doza. Raha tsiahivina, nampahafantarin’ny zandary, afakomaly, fa novonoina teny Analamahitsy i Tsoa ny harivan’ny 07 novambra. Nentin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny fiara 4×4 marika Rexton nihazo an’i Talata-Volonondry izy ka navarin’izy ireo tao ambanin’ny tetezana. Naharay antso ny zandary, ny 08 novambra maraina ka nanokatra ny fanadihadiana. Tsikaritra tamin’ny fizahana ny vantana mangatsiakan-dRatompokolahy fa nolerana antsy imbalo ity mpanakanto ity. Nosaronan’ireto voampanga ireto tamin’ny lozam-pifamoivoizana izany.
Tsiferana Randriatiana