Ampatorana – Fandriana: nangalarin’ny jiolahy ny varavaran-tsekoly vao namboarina

Nisy nangalatra, afakomaly alina (tsy voafaritra mazava ny ora), ny varavaramby an’ny sekoly ao Ampatorana fokontany Ambohitraivo, kaominina Fandriana. Nahazo filazana tamin’ny ben’ny Tanànan’i Fandriana ny tobim-paritra fa nisy ny varavaran’ny sekoly ao amin’ity fokontany ity. Nomarihin’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa io sekoly io dia tohanan’ny mpamatsy vola Foundation Axian ka ny orinasa SE Tendre Lamain no misahana ny asa. Ny varavarana vy atsimo sy avaratra tamin’ny efitra no lasan’ireo mpangalatra. Nandray fepetra avy hatrany ny fokonolona niaraka tamin’ny zandary tamin’ny alalan’ny fanamafisana ny fiambenana ny sekoly satria ahina mbola hiverina ireo mpangalatra, indrindra fa ny varavaram-pitaratra natao aliminioma lafo vidy. Nametraka paikady koa ny zandary amin’ny fanaraha-maso ireo mponina manodidina sy ireo mpanao asa momba ny vy rehetra. Mirotsaka an-tsehatra manampy amin’ny fanaraha-maso koa ny zana-tobim-paritra Mahazoarivo sy Sahanivotry ary Manandona amin’ny fisavana ireo fiara mivoaka sy miditra amin’iny faritra iny.

J.C

Partager sur: